Tontosa omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondakan’ ny ranomasimbe Indiana, taranja rugby lalaovin’olona 7, sokajy zandriny, U18, vehivavy sy lehilahy ary U16, lehilahy. Fifaninanana karakarain’ny fikambanan’ny rugby aty amin’ny ranomasimbe Indiana (Aroi) izy ity. Raha ny vokatra ho an’ity fanombohana ity, manjakazaka ny Makis eo amin’ireo sokajin-taona ireo. Tsy mbola nisy naharesy mantsy ny ekipa malagasy. Nanokatra ny fihaonana ny sokajy U16, nifandona ny samy Makis. Nivoaka ho mpandresy ny Makis 1 raha nihaona tamin’ny Makis 2. Nisaraka, tamin’ny isa 26 no ho 19 ny roa tonta.
Teo amin’izay sokajy izay ihany, resin’i La Réunion, tamin’ny isa 26 no ho 10 i Mayotte. Ho an’ny sokajy vehivavy, nomontsanin’ny Makis Ladies avokoa izay rehetra nifandona tamin’izy ireo. Anisan’izany ny teo amin’ny U18, izay nandavoan’izy ireo an’i Maurice, tamin’ny isa mazava, 43 no ho 0; an’i La Réunion, 61 no ho 0. Avy eo, La Réunion nanilika an’i Mayotte, 34 no ho 0. Teo amin’ny U18, lehilahy, 40 no ho 0 no nandresen’ny Makis an’i Mayotte. La Réunion indray nanilika an’i Maurice, 19 no ho 17. Ho an’ny U16, lavon’ny Makis 2 tamin’ny isa 19 no ho 17 ihany koa i La Réunion ary 42 no ho 0 no nandresen’ny Makis 1 an’i Mayotte.
Tompondaka




