Judo-Mada 2026: Voatazon’ny Esca ny voalohany

Folo taona mahery izay, tsy mbola nisy naharombaka teo am-pelatanan’ny klioban’ny Esca ny anaram-boninahitra laharana voalohany.

Azon’izy ireo indray izany nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Mada­gasikara, natao teny amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano, ny herinandro lasa teo. Vao tamin’ny andro voalohany dia efa nisongadina ny mpikatroka avy amin’ny Esca. Nana­marika ny fandrombahana ny medaly ity klioba ity sy ny klioban’ny Cosfa. Nanaraka azy ireo tao ny klioban’ny Saint Michel, teo amin’ny Seniors. Taorian’ny andro voalohany, efa medaly volamena 12, volafotsy 13 ary alimo 13 no teo am-pelatanan’ny mpikatroka eo anivon’ny klioban’ny Esca. Mbola niampy izany tamin’ny andro faharoa. Anisan’ny mpikatroka nisongadina sy niady mafy nitazona ny anaram-boninahitra, Ralalaharisoa Malalatiana Frédérica, izay nandresy an’i Nomenjanahary Damiella (CCS), teo amin’ny famaranana, sokajy Senior, latsaky ny 63kg. Laharana fahatelo, teo amin’ity sokajy ity, i Niando Thierry Jocyah (CSF) sy Rabetafika Avana Colline (Esca). Anisan’ny mpikatroka nisongadina ihany koa Ravelojaona Rayan, sokajy latsaky ny 73 kg sy Ranai­voarisoa Fetra, sokajy latsaky ny 81kg. Teo amin’ny fifaninanana isan-tarika, norombahin’ny klioban’ny Saint Michel izany. Nanaraka azy ny klioba avy any Atsimo Andrefana ary ny Esca teo amin’ny laharana fahatelo. Tsiahivina fa nitiliana izay handrafitra ny ekipa nasionaly hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Cadets sy Juniors, hatao any Nairobi, Kenya, ny 24 sy 25 avrily izao, iny fifaninanam-pirenena iny. Mikasa ny handefa atleta 6 ny federasionina amin’ity fifaninanana ity, raha ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny Judo, i Bruno Eric Said.

Mi.Raz

Partager sur: