Nitohy omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja handball, sokajy zandriny, lahy sy vavy. Misongadina eo amin’ny vokatra azony ny ekipan’ny HC Est Atsimo Andrefana, sokajy junior, lehilahy. Fandresena telo misesy no azon’izy ireo ao amin’ny vondrona «B». Nandresy ny HTHB, tamin’ny isa 27 no ho 22 izy ireo nandritra ny andro voalohany, nanilika ny Vasia, 32 no ho 25 ho an’ny andro faharoa. Omaly, nandritra ny andro fahatelo, nanamontsana ny AJHM, tamin’ny isa mazava 56 no ho 20. Mitarika, araka izany, izy ireo ao amin’ity vondrona ity. Toy izany koa ny teo amin’ny Cadet, nahazo fandresena indroa ny HC Est rehefa nandavo ny Jah Ekaleka, tamin’ny isa 25 no ho 20 teo amin’ny lalao voalohany sy nanilika ny Zam, 32 no ho 24, omaly, tamin’ny fanatanterahana ny andro faharoa. Raha ho an’ny vehivavy, mbola miavaka ny TMI Ihorombe amin’ny traikefa sy ny fahaizana ka nandreseny ny Njatovo tamin’ny isa 21 no ho 12.
Tompondaka




