“Ligue des champions”  : Hanala vela amin’ny PSG ny Liverpool

Anisan’ny lalao andrasan’ ny mpankafy baolina kitra maneran-tany, anio, ny ampahefa-dalana mandroso hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”. Fihaonana hikatrohan’ny PSG sy ny Liverpool. Handray ny lalao ry zareo parizianina, ao amin’ny Kianja Parc des Princes. Vao tamin’ ny taon-dasa no nikatroka ireto ekipa ireto, teo amin’ny ampahavalon-dalana ka ni­voaka ho mpandresy tamin’ny alalan’ny fandakana ny “tirs au but”, ry zareo PSG. Hanala vela izany, amin’ity, ny anglisy. Heverin’ny rehetra fa mety hifamadika indray ny tantara amin’ity, satria hampiantrano ny lalao miverina ny Liverpool, afaka herinandro. Matetika, manana tombony ny ekipa mandray io lalao faharoa io. Nanambara anefa ny parizianina fa hiezaka handresy ny anglisy amin’ny elanelan’isa 2, mba hahazoana antoka tsara amin’ny fiatrehana ny lalao any Anfield, ny 17 avrily ho avy izao. Raha ho an’ny parizianina, tsy mbola afaka milalao i Barcola noho ny ratra nahazo ny kitrokeliny.
Ankoatra izay, adin’ny samy espaniola ny fihaonana hifandonan’ny FC Barcelone sy ny Atletico de Madrid. Lalao ho toy ny famarananakely ihany koa. Handray ny lalao voalohany ry zareo Barça, izay heverina fa manana tombony ara-taratasy.

Tompondaka

Partager sur: