Baolina kitra – “Yas amboaran’i Madagasikara”: Miisa 78 ireo ekipa hiady ho lohany

Nitombo miohatra ny tamin’ireo andiany hatramin’izay ny ekipa hiatrika ny fiadiana ny “Yas amboaran’i Madagasikara”, taranja baolina kitra. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasionina afrikanina izay voalohany amin’ity.

Hanomboka ny 18 avrily ho avy izao ny fiadiana ny “Yas amboaran’i Madagasikara”, taranja baolina kitra. Nampahafantarina tetsy amin’ny foiben’ny Yas Madagascar, tetsy Andraharo, omaly ny ho fizotran’ny fifaninanana, izay haharitra hatramin’ny volana jolay. Nitombo ny isan’ny mpandray anjara satria mahatratra 78, avy amin’ny ligim-paritra 22, ka manana ekipa betsaka amin’izany Analamanga.
Nambaran’i Helly Zafiniman­ga, tomponandraikitry ny fifaninanana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra fa hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika izay mpandresy amin’ity. Hotanterahina amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy ny dingana savaranonando voalohany sy faharoa, hatao ny 2 sy 3 mai ho avy izao. Fifanintsanana mivantana ny “Yas amboaran’i Mada­gasikara” ka mihintsana avy hatrany izay resy. Eo amin’ny dingana ampaha-16-dalana vao miditra an-tsehatra ireo klioba avy amin’ny Pureplay Football League (PFL). Hatao antsapaka kosa ny ekipa hifandona manomboka eo amin’ny ampahefa-dalana sy ny manasa-dalana. Nohama­fisiny fa efa afaka mandray lalao ny Kianja Rabemanan­jara Mahajanga, satria efa voavaha ny olana tamin’ireo mpitsara lalao.
80 % ny vidim-pidirana za­rain’ny ekipa roa tonta ary ny 10% an’ny ligy mpampiantrano, raha 10% an’ny Fede­ra­sionina mpikarakara ny fifaninanana. Ankoatra izay, nilaza ny mpitantana ny Yas Mada­gascar fa misy hatrany ny fa­nampiana ireo klioba, hampisy fahavitrihana azy ireo. Toy ny isan-taona, hisy ny fankasitrahana sy loka ho an’ny ekipa mpandresy, ny mpanazatra sy mpiandry tsatoby ary mpilalao mendrika sy ny ekipa manana “fair-play”.

Tompondaka

Partager sur: