Hotanterahina ny 11 sy 12 avrily izao, any Chine, ny fifaninanana “Fiba 3×3 Hengqin Challenger 2026”. Omaly no nanainga teto an-tanindrazana ny delegasionina malagasy izay hiaro ny voninahi-pirenena. Fifaninanana anisany goavana ity hatao ity, hahafahana mandahatra ireo mpilalao mendrika eo amin’ny basikety lalaovin’olona telo. Tsiahivina fa firenena efa anisan’ny manana ny toerany i Madagasikara eo amin’ity taranja basikety 3×3 ity. Efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika ny taona 2025. Mpilalao notsongaina sy niatrika sivana no mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Ahitana an’i Hasina, Marco, Kanto ary i Anthony. Efa nandray anjara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena avokoa izy efatra mirahalahy ireo. Efa nisy ihany koa ny fanomanana natao.
Mi.Raz




