Hotanterahina any Antsirabe, ny 17 ka hatramin’ny 19 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana karakarain’ny Federation sport-boule de Madagascar. Lalao ho an’olon-telo miaraka izy io ary tsy maintsy manana kara-pilalaovana ara-dalàna ireo hifaninana rehetra.




