Voahaja ny lojika teo amin’ny vokatra ho an’ny lalao manasa-dalana, sokajy cadette, fiadiana ny ho tompondakam-pirenena taranja handball. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly. Resin’ny HBCI Ihorombe tamin’ny isa mazava, 37 no ho 12 ny HTHB Atsinanana. Tsy niady mihitsy ny lalao fa nanjaka tokana ireo mpilalaon’Ihorombe. Tombony ho azy ireo ny tanjaka sy ny fahazarana lalao goavana. Nitarika tamin’ny isa hatrany am-boalohany ny HBCI Ihorombe. Porofon’izany, 10 mn nanombohana, nitarika tamin’ny isa 12 no ho 1 ny tovovavin’Ihosy. Ankoatra izay, lavon’ny ASE Atsimo Andrefana, 21 no ho 14, ny Vasia Ihorombe. Nampitsanga-mitoetra hatramin’ny farany kosa ny lalao teo amin’ny cadet, nikatrohan’ny HC Est Atsimo Andrefana sy ny HBCT Ihorombe. Resin’Ihorombe tamin’ny isa tery 28 no ho 27 ny HC Est. Vasia indray nanilika ny ASLPNYA Ihorombe, 35 no ho 30.
Tompondaka




