Tsara famaranana ny ligin’Ihorombe teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy “cadet” sy “junior”, lahy sy vavy. Norombahin’izy ireo ny amboara roa niadiana tamin’izany.
Nifarana omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny, taranja handball, lahy sy vavy. Nisongadina ny ekipan’ny ligin’Ihorombe izay nanao pao-droa. Norombahin’izy ireo avokoa mantsy ny amboara teo amin’ny “cadet” sy “cadette”. Teo amin’ny “cadette”, lavon’ny HBCI, tamin’ny isa tery 14 no ho 13, ny ASE Atsimo andrefana. Niady hatramin’ny voalohany ny lalaon’izy ireo. Nitarika tamin’ny isa 3 no ho 0 ny mpilalaon’ny ASE. Teo amin’ny 5 mn nanombohana vao nahafaty baolina iray ry zareo avy ao Ihorombe. Taorian’io, nifanakaiky ny isa. 5 no ho 5, nentin’ny roa tonta niala sasatra. Fizaram-potoana faharoa, nihoaran’ny tovovavin’Ihorombe ny isa ka izy ireo indray no nitarika saingy tsy nifanalavitra. Nifanenjehana ny isa hatreo amin’ny minitra farany. Valim-panafihana no namonoan’Ihorombe ny baolina nitondra azy ireo nankany amin’ny fandresena.
Teo amin’ny “cadet”, lavon’ny Vasia Ihorombe, tamin’ny isa, 29 no ho 26, ny HBCT Atsimo Andrefana. Nangotraka ihany koa ny fihaonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany ary nifamaliana hatrany ny famonoam-baolina. Efa tany amin’ny fiafaran’ny fotoana ihany koa vao nahazo fandresena ny Vasia. Ho an’ny “junior”, vehivavy, niondrika teo anatrehan’ny, Solidaire Boeny, tamin’ny isa 28 no ho 24 ny TMI Ihorombe, ary ho an’ny lehilahy lasan’ny HC Est ny fandresena raha nandavo ny Solidaire, 43 no ho 34. Tanjon’ny fifaninanana ny hifantenana ireo mpilalao handrafitra ny Akio, hiatrika ny “IHF Trophy” ka hanomboka rahampitso alahady ny fampivondronana azy ireo, ary haharitra herinandro.
Tompondaka




