Rugby – Federal 2  : Resin’ny RCSA tamin’ny moka fohy ny 3FAI

Tontosa tetsy amin’ny kianja Makis Andohata­pe­na­ka, omaly alahady ny am­pahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara Federal 2, taranja rugby. Tafita hiatrika izany ny Rosa Club de l’Imerina, ny FTAT sy ny RCSA Anosibe ary ny CRAI Am­balavao Isotry. Niady avokoa ny fihaonana. Anisan’ny tena nampitsanga mitoetra ny an’ny Stade sy ny CRAI. Efa tany amin’ny fanalavam-po­toana vao tafavoaka ho mpandresy tamin’ny isa, 53 no ho 47 ny Ambalavao Isotry. Nisa­raka tamin’ny isa mitovy 41 no ho 41 ny roa tonta tao anatin’ny 80 mn nilalaovana. Nitarika hatrany anefa ny CRAI no tratran’ny Stade. Tanteraka ilay 5 mn n’ny Stade, saingy tsy voatazon-dry zalahy ilay zava-bitany ka nitsimbadika ho tombony ho an’ny CRAI.
Efa tany amin’ny minitra farany ihany koa vao nivoaka ho mpandresy ny RCSA raha nidona tamin’ny 3FAI. 20 no ho 19 nisarahan’ny roa tonta. “Afa-bela izahay ary tombony ho anay ny tanjaka. Hiezaka izahay hanohitra izay ho mpifanandrina aminay eo amin’ny manasa-dalana”, hoy ny solombavambahoaka Rafidi­manana Désiré, “demi de mêlée”-n’ny RCSA. Ankoatra izay, resin’ny Rosa, tamin’ny isa 17 no ho 9 ny FBM Bemasoandro Itaosy ary nomontsanin’ny FTAT, tamin’ny isa mavesatra 32 no ho 9 ny JSTA Ambondrona.

Tompondaka

Partager sur: