Alan-drongony 2 ha tratra : Olona telo voasambotra

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny olona telo mpiray tsikombakomba amin’ ny fambolena, famarotana ary fanampariahana rongony ma­hery vaika « Skunk », tao amin’­ ny kaominina Fihaona­na, distrikan’i Tsiroanoman­didy, ny 11 avrily teo. Olona iray nahatrarana Skunk milanja 1,30kg tao Andranomadio, ny 9 avrily. Nanaovan’ny mpitandro filaminana fanadihadiana io lehilahy io. Nitoroka ny mpamongady ny entana izy. Voasambotra koa io olona iray hafa io. Natao famotorana lalina izy roa ireo. Nanondro ny toerana fangalany ny entana amidiny rehetra taorin’izay io mpamongady io. Toerana iray ao amin’ny ny kaominina Fihaonana, fokontany Tala­tan’i Mahazoarivo, atao hoe Antanandava no misy ny saha. Mahatratra 2 ha ny saha fambolen’izy ireo rongony. Nahazo loharanom-baovao mialoha ny mpitandro filaminana fa manana fitaovam-piadiana ny tompon’io saha io. Nandositra avy hatrany, araka izany, ireto farany rehefa nahafantatra ny fahatongavan’ny manam-pahefana tao an-toerana. Tavela ny vadin’ilay mpamboly ka nentina natao fanadihadiana. Olona roa hafa afa-nandositra tamin’io fotoana io, araka ny loharanom-baovao. Nahatrarana zanaka rongony efa voakarakara miisa 1500 tao amin’izy ireo. Amidin’izy ireo 3 500Ar ny iray gram any Skunk any am-potony raha toa ka efa tafakatra 8 000 ka hatramin’ny 10 000 Ar rehefa tonga ao Tsiroanomandidy.

Tsiferana R.

Partager sur: