Handray anjara amin’ilay hazakazaka goavambe “KFC Ultimate Road Race”, tanterahina atsy Maurice ny Malagasy ka voaasa manokana amin’izany i Mamie eo amin’ny lehilahy sy i Sendra ho an’ny vehivavy. Hifaninana eo amin’ny halaviran-dalana 42 km izy mianadahy.
Hotanterahina ny alahady 19 avrily ho avy izao, ao Mont Choisy Public Beach Others ao Maurice ny hazakazaka “KFC Ultimate Road Race”. Fifaninanana, karakarain’ny Pick and Eat (KFC), miaraka amin’ny Mauritius Athletics Association (MAA). Anisan’ireo nahazo fanasana amin’izany hazakazaka izany ny atleta malagasy ka hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity i Sendrafefiniaina Rollande Marie Pierre, tompondakan’i Madagasikara lefitra tamin’ny “semi-marathon” farany teo sy Andrianirina Hobilalaina Rivosoa (Mamie). Izy mianadahy izay samy avy amin’ny klioba Cami Miarinarivo avokoa. Raha tsy misy ny fiovana, hanainga rahampitso alakamisy 16 avrily izy mianadahy.
Hifaninana eo amin’ny halaviran-dalana 42 km i Sendra sy i Mamie. Tsiahivina fa goavana ity fihaonana hatrehin’izy ireo ity satria handray anjara amin’izany koa ireo andrarezina aty Afrika toa ilay Kenyanina, i Anthony Kipaglat Maritim sy i Lucas Kiprop Kiplimo, izay vao avy nandray anjara tamin’ny “Marrakesh International Marathon”, ny volana janoary lasa teo. 2 ora 12 mn 11 s ny fe-potoanany. Ankoatra azy mirahalahy, eo koa ilay Afrikanina tatsimo i Modimo Oratile Mashigo. Anisan’ ny manavanana ity atleta ity ny halavirana 800 m, 1500 m, 3000 m, ny 2000 m steeple ary ny 3000 m steeple.
Tsiahivina fa misy karazany dimy ity fifaninanana ity dia ny 1500 m, ny 5 km ny 10 km ny 21 km ary ny 42 km. Ankoatra azy mianadahy, hita ao anaty lisitry ny mpifaninana koa ireo atleta malagasy hafa toa an-dRabenarivo Andrianambinina Marius, Rafanomezantsoa Nomenjanahary Jean Richard, Rakotonirina Jean-Claude, izy ireo izay samy hifaninana eo amin’ny halavirana 21 km.
Tompondaka




