Handball – IHF Trophy: Miatrika fampivondronana ny Akio

Taorian’ny fahavitan’ny fi­faninanam-pirenena sokajy zandriny “cadet” sy “junior” lahy sy vavy, taranja handball, ny zoma 10 avrily lasa teo, niditra amin’ny fampivondronana avy hatrany ireo ankizilahy voafantina ho anaty Akion’i Madagasikara. Hano­mana ny fifaninanana hiadiana ny “IHF Trophy”, faritra faha-7. Nanomboka ny sabotsy 11 avrily lasa teo izany, ary haharitra herinandro.
Mpilalao miisa 24 ny “ju­nior” ary 22 ny “cadet” ireo no­tsongaina ireo. Hanazatra ny “cadet” ny coach Dave sy i Cédric ary i Fania sy i Franck kosa ny “junior”. Etsy amin’ny kianja mitafon’ny ANS Ampefi­loha izy ireo no manao ny fanazarantena isan’andro. Tsiahivina fa hampiantrano ity “IHF Trophy” ity, i Madagasi­kara, ny 27 ka hatramin’ny 31 mey ho avy izao. Firenena dimy no handray anjara amin’izany. Ankoatra ny Akion’i Ma­dagasikara, eo koa i La Réunion, Mayotte, Maurice ary i Comores. Hanana ny lanjany lehibe izany fifaninanana izany satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “IHF Tro­phy” kaontinantaly. Hisolo tena ny faritra faha-7 izay tompondaka, amin’io.

Tompondaka

Partager sur: