Nanatanteraka varavarana misokatra ho an’ireo liana amin’ny taranja ” tir à l’arc” ny klioba “MadaArchery”, ny faran’ny herinandro teo. Hanitatra ity taranja ity manerana ny Nosy no anton’izao finiavana izao.
Manana tanjona ny hampiroborobo ny taranja “tir à l’arc”, ny klioba “MadaArchery”, araka ny nambaran’ny filohany, Ratsimbazafy Tsiory Lucka, nandritra ny varavarana misokatra, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny “Bourbon Saint Joseph Jésuites” Ivandry. Manana vinavina hanangana klioba maro manerana ny Nosy izy ireo ary hiitatra amin’ny ligy sy fananganana federasionina izany. Ny hamerenana indray ny taranja “tir à l’arc” ho azo kirakirain’ny daholobe no anton’izany, raha ny nambaran’ity filoha ity hatrany. Nisy ny fampahafantarana sy fanentanana ny fototra amin’ity taranja ity, nandritra io varavarana misokatra io. Mandray mpikambana manomboka amin’ny 10 taona izy ireo, ka 25000 ar isam-bolana ary miampy sara-pidirana ho mpikambana 5000ar no vola aloa amin’izany. Nohamafisin’ity filohan’ny kloba “MadaArchery” ity fa manana talenta amin’ny taranja mila “précision” ny atleta malagasy ka anisan’izany ny taranja “tir à l’erc” ka ezahina ny hampiroborobo izany eto Madagasikara sy hamirapiratan’ny Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Mi.Raz




