Voasambotra ny nahavonon-doza : Vehivavy sembana 64 taona lasibatry ny fanolanana

Voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Foulpointe, tamin’ity herinandro ity, ny lehilahy iray 28 taona. Tompon’antoka tamin’ny fanolanana vehivavy lehibe iray manodidina ny 64 taona, tany Foulpointe. Vehivavy ma­nan-kilema ara-batana io lasibatra io. Raha tsiahivina, niala tao amin’ny trano fonenany ary nikasa handeha hamangy fianakaviana ity ramatoa lehibe ity, tamin’ny herinandro lasa iny. Hitan’ilay tovolahy izy ka na­rahiny avy any aoriana. No­entiny tany amin’ny faritra mangina somary miala ny tanàna ilay ramatoa taorian’izay. Na­ho­lany sy nampiharany ny filan-dratsiny. Mbola norahonany hovonoina ihany koa raha milaza sy mitantara ny zavatra nihatra taminy. Noho ny fanolanana nahazo ity vehivavy lehibe ity, simba tanteraka ny taovam-pananahany rehefa nozahana tany amin’ny toeram-pitsaboina. Voatery nozairina sy mbola manaraka fitsaboana ny tenany taorian’ny tranga. Ankoatra ny kilema efa nahazo azy, voatery nitondra takaitra hafa noho ny fanolanana nahazo azy ihany koa izy.
Tonga nanatona sy nanao fitarainana teny anivon’ny bi­raon’ny Zandarimaria moa ny tenany andro vitsivitsy taorian’ny tranga. Nanao ny fikarohana avy hatrany ny zandary ka ni­sambotra ilay lehilahy nahavanon-doza. Nikasa hanao raharaham-pihavanana izy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary saingy tsy neken’ny mpanao famotorana. Notamba­zany hanatsoaka ny fitoriana ny mpitory fa tsy nanaiky. No­tanana eny anivon’ny biraon’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Foulpointe ny tenany hatramin’izao ary hatolotra ny fampanoavana aorian’izay.

Mino

Partager sur: