Anisan’ireo ekipa sambany vao hiatrika ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara XXL Top 12, izay hatao ny alahady ho avy izao, etsy Andohatapenaka, ny Rugby Club des Soldats Anosibe (RCSA). Ny klioban’ny CRAI Ambalavao Isotry no hifandona amin’izy ireo, amin’izany. Manana vina ny hisondrotra any amin’ny avo indrindra mihitsy ity klioba avy ao Anosibe ity, ka miezaka manao izay fara heriny amin’ny fanomanana an’io lalao io ry zareo ankehitriny.
Nilaza ny mpanazatra RCSA, Coach Jerry, omaly, tetsy amin’ny HJRA Anosy, fa efa masaka tanteraka ny taktika sy ny paikady rehetra ary izay tombony hita ho an’ny mpifanandrina sisa, no hamafisina. “Ny tena vahana ho anay ny resaka lohalaharana “avant”, eo ihany koa ny fisian’ireo tanora betsaka mandrafitra ny ekipa”, hoy hatrany ny Coach Jerry.
Tsara ny mampatsiahy fa ny RCSA dia niforona ny taona 2006 ary efa nandalo dingam-pifaninana federaly maro vao tonga amin’izao toerana misy azy izao. Anisan’izany ny Diviziona fahatelo (D3), ny D2, ny D1 Analamanga, ary izao miatrika ny Top 20 izao ankehitriny.
Marihina fa mpilalao iray misongadina ao amin’ny RCSA, ny Solombavambahoakan’ny boriboritany fahefatra, Rafidimanana Desire na i Depiote Fidy.
F.R




