Karate-Seminera: Homena traikefa ireo “cadres”

Ho fanatsarana ny lafiny fanazarana, fitsarana ary fitantanana, mikarakara seminera ny eo anivon’ny federasionina ny Karate-do Mala­gasy. Seminera natokana ho an’ny mpitantana, mpitsara ary mpanazatra izay hatao ny alahady 19 sy 26 avrily izao, araka ny fandaharam-potoana. Noho ny fahatsapana fa misy lesoka ny eo amin’ny fanazarana, fitsarana ary fitantanana no anton’izao seminera izao, araka ny nambaran’ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Emile. Eo ihany koa ny fampahafantarana ireo lalàna eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka hahafahan’ny mpisehatra eo amin’ny taranja karate ma­lagasy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Sensei Ra­boanarijaona Voahirana (Chief Referee FKM, mpitsara WKF), Nasoavina Fidinirina (Administrateur de compétition UFAK) ary ny Coach Hafizou Georges (Coach WKF, UFAK) no hitarika ity seminera ity. Hisy ny tombana ny 9 mey izao ary hitohy indray ny seminera ny 7 sy 14 jona izao. Hatao ny 21 jona izao kosa ny fanadinana, mialoha ny hahazoana ny mari-pankasitrahana. Hahazoana “qualification’ ity seminera ity, raha ny fanazavana hatrany.

Mi.Raz

Partager sur: