Rugby – Federal 2 : Adin’ny samy kartie avokoa ny manasa-dalana

Hanamarika ny fiafaran’ity herinandro ity, ny ankatoky ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby sokajy Federal 2. Hifanandrina ny fileovana sangany indrindra. FTAT Anosibe hifampitana amin’ny Rosa Club de l’Imerina ary ny RCSA Anosibe hifanandrina amin’ny CRAI Ambalavao Isotry.

Hangotraka ny kopaka, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka eo amin’ny dingana manasa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’ny Federal 2, taranja rugby. Ho fantatra rahampitso alahady mantsy ireo ekipa roa hiatrika ny famaranana. Adin’ ny samy kartie avokoa ny fihaonana amin’ity. Hafana vay satria ekipa sambany vao hidona avokoa izy efatra. FTAT Anosibe Tsena hifanandrina amin’ny Rosa Club de l’Imerina Antohomadinika III G Hangar. Samy manana ny fahaiza-manaony ny roa tonta. Ekipan-drazana ny Rosa izay nipoiran’ireo mpilalao sangany fahiny, nandrafitra ny Makis. Azo lazaina fa sompitry ny baolina lavalava amin’izao fotoana izao, ity fileovana ity. Tsy latsa-danja amin’izany ny mpilalaon’ny FTAT. Ekipa manana mpilalao tanora, ma­tanjaka sy vaventy. Tsy hifampitsitsy, araka izany, ny andaniny sy ny ankilany. Samy manana ny fahaiza-manaony rahateo izy ireo. Heverina fa ho resy izay tsy mitandrina amin’ity.
Lalao hahitana ny tena baolina lavalava koa ny fifanandrinan’ny RCSA (Soldats) Anosibe sy ny CRAI Ambala­vao Isotry. Samy tompon’ny filalaovam-baolina ny roa tonta ary samy manana ny hery sy tanjaka. Mety ho tombony ho an’ny Ambalavao Isotry ny fisian’ireo mpilalao mandrafitra ny Makis Junior, izay tena mamelona ny fanafihan’izy ireo. Na izany aza, ny firaisankinan’ireo mpilalaon’ny Soldats kosa no tena motera manodina ity ekipan’Anosibe, ity. Hifampitana tanteraka, araka izany, izy ireo. Raha ny fahitan’ny teknisianina, mety ho tonga any amin’ny fanalavam-potoana ny fihaonana. Irian’ny rehetra kosa mba mpitsara matihanina maharaka lalao no hitsara ity fifandonana ity, fa tsy ireo antsoan­tsoin’ny mpijery hoe : Mpitsara mitondra kalaky.

Tompondaka

Partager sur: