Hotanterahina any Nairobi, ny 24 sy 25 avrily izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Seniors, taranja Judo. Malagasy mpikatroka 12 no hisolo tena an’i Madagasikara. Tsy ho diso anjara i Madagasikara ary tena mafonja ny delegasionina satria raha judokas 8 no novinavinain’ny federasionina fa hifaninana dia nitombo ho 12 izany. Araka izany, judokas malagasy 4 vavy sy 8 lahy no hiaro ny voninahi-pirenena. Eo amin’ny sokajy vehivavy, hahitana an-dRasoanaivo Razafy Aina Laura (-70 kg), Razafindrakalo Natacha (-48 kg), Ralalaharisoa Malalatiana Frédérica (-63 kg) ary Andriambololona Zo Hajanirina (-78 kg). Eo amin’ny sokajy lehilahy kosa, hahitana an’Andriamanoelina John Major sy Rakotonandrasana Yacinthe Angelo, eo amin’ny sokajy -60kg, Ralevazaha Kevin Emilson sy Mickael Jean Allo (expatrié), eo amin’ny sokajy -66kg, Ravelojaona Yves Rayan sy Ralevazaha Vonjiniana Emilson, eo amin’ny sokajy -73kg ary Ranaivoarisoa Fetra sy Randrianasolo Lova Mahaisoa, eo amin’ny sokajy -81kg. Tsiahivina, mpikatroka 256 avy amin’ny firenena afrikanina 34 no hifaninana amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika any Nairobi ity.
Mi.Raz




