Hotanterahina amin’ity faran’ny herinandro ity, ny andro faha-13 ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Pureplay Football League (PFL)”. Ho an’ny Kaonferansy Atsimo, ho toy ny famaranana kely mihitsy ny fifanandrinana miverina eo amin’ny Mama FC sy ny CFFA Andoharanofotsy. Fihaonana izay hotanterahina, rahampitso, etsy amin’ny Kianja Imeritsiatosika. Izay tafavoaka mpandresy amin’ ireo no tsara toerana mankany amin’ny “Playoff”.
Tsara ny mampatsiahy fa mbola manala vela amin’ny Mama FC, ny avy etsy Andoharanofotsy. Resin’ny ekipan-dRaheribe, mpanazatran’ny Mama FC, 1 no ho 0, mantsy ny CFFA tany amin’ny fifandonana voalohany. Raha ny fikarohana natao, eo amin’ny laharana fahefatra, ny Mama FC, ary manana isa 19. Manaraka azy kosa ny CFFA, mitana isa 18. Ankoatra izay, mbola mitarika ny lohany amin’ny mpampiditra baolina betsaka indrindra i Fabrice, lohalaharan’ny Disciples FC, izay nahatafiditra baolina 10. I Zola no faharoa, mpilalaon’ny Elgeco Plus, nanakobana ny harato intsivy.
Eo amin’ny fahatelo kosa, i Massi sy Toky, Cosfa, ary i Tahiana, CFFA, izay samy nahafaty baolina fito avy.
Fitia Randria




