Nosokafana omaly, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny seminera natokana ho an’ny “cadres”, ahitana mpanazatra, mpitsara ary mpitantan-draharaha eo anivon’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy.
Omaly vao nanomboka nisoratra anarana ireo hiatrika ny seminera ka tsy mbola fantatra ny isan’izy ireo, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasionina, Ratefinanahary Emile. Tanjona ny hahazoana “cadres qualifiés”, ahafahana miroso amin’ny fenitra iraisam-pirenena. Hampianarina sy hampiofanina mahakasika ny lalàna iraisam-pirenena eo amin’ny lafiny fifaninanana ireo mpandray anjara amin’ity seminera ity. Marihina fa nisy fiovana ifotony izany lalàna izany nanomboka ny volana janoary teo. Ny Sensei Raboanarijaona Voahirana (Chief Referee FKM, mpitsara WKF), Nasoavina Fidinirina (Administrateur de compétition UFAK) ary ny Coach Hafizou Georges (Coach WKF, UFAK) no hitarika ity seminera ity. Raha ny fandaharam-potoana, omaly 19 avrily sy amin’ny 26 avrily izao ny fanombohana ny seminera. Hisy ny tombana ny 9 mey izao ary hitohy indray izany ny 7 sy 14 jona. Hatao ny 21 jona izao ny fanadinana, mialoha ny hahazoana ny mari-pankasitrahana. Hiatrika ity seminera ity avokoa ny mpikatroka manerana ny Nosy ka ezahina vitaina mialoha ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara isan-tarika, ny volana oktobra, izany. Tsiahivina fa nomarihina omaly ihany koa ny faha-3 taona nitantanan-dRatefinanahary Emile ny Federasionin’ny Karate-do malagasy sy ny fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahany.
Mi.Raz




