Tontosa omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny manasa-dalana roa hiadiana ny ho tompondaka “Fédéral 2”, taranja rugby. Tafavoaka ho mpandresy ary hiatrika ny famaranana ny RCSA Anosibe sy ny Rosa Club de l’Imerina. Efa tany amin’ny minitra farany vao nahazo ny tapakila hanohizany ny dia ny Rosa, nanoloana ny FTAT Anosibe. Nisaraka tamin’ny isa, 14 no ho 10 ny roa tonta. Nitarika tamin’ny isa, 10 no ho 7 anefa ny FTAT saingy fahadisoana teknika tany amin’ny 1 mn tsy hiravana no naharesy azy ireo. Nitsangana ny “pilier” tao anaty “mêlée” sady voatosika ka avy hatrany dia nahazo “essai de penalité” ny Rosa, izay nitondra azy ireo ho any amin’ny famaranana.
Tsy niady kosa ny fihaonana teo amin’ny CRAI Ambalavao Isotry sy ny RCSA. Lavon’ny “Soldats” Anosibe, tamin’ny isa mazava 21 no ho 11, ry zareo Isotry. Nitarika tamin’ny isa 6 no ho 0 anefa ny CRAI, saingy tsy ela ny valin-kafatra ka voasahala 6 no ho 6. Taorian’io, nahatonga baolina nentin-tanana ny Ambalavao Isotry, saingy tsy voatsara raha “hors jeu” iray ihany ny an’Anosibe. 11 no ho 9 no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Fizaram-potoana faharoa, tsy nivoaka tao amin’ ny kianja nisy ny CRAI ny baolina, nahazoan’ny RCSA baolina nentin-tanana sy “hors jeu” ka nivoahany ho mpandresy.
Tompondaka




