ASIEF 2026 : Tsy misy fiovana ny fifaninanana

Manoloana ny tsaho miely mahakasika ny Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires (Asief), nanao fanambarana ny birao mandrafitra azy ireo, ny sabotsy lasa teo. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy manaiky izany fanelezana tsaho izany izy ireo ary manamafy fa tsy misy fiovana ny fandaharam-potoana hotanterahina any Manakara, amin’ny volana aogositra izao. Notsiahivin’izy ireo ihany koa fa efa nanomboka 3 herinandro izay ny fifaninanana eo anivon’ny faritra Analamanga. Manao antso avo, araka izany, ny biraon’ny Asief foibe, tarihin’Andrianarison Jean Aimé (Jhon Love), ny hanohizan’ny isam-paritra sy ny mpiasam-panjakana rehetra any anivon’ny minisitera ny fanomanana fa tsy misy fiovana ny lamina rehetra efa napetraka. Efa hisy tomponandraikitra hidina ifotony ihany koa ato ho ato hanara-maso ny fotodrafitrasa any amin’ny toerana hanatanterahana ny fifaninanana. Mampitandrina ireo minia manakorontana ihany koa ny Asief foibe hanatsahatra izany fa misy lalàna eto amin’ny tany sy ny firenena.

Mi.Raz

Partager sur: