Zaza efa-taona voaolana : Mpampianatra misotro ronono saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny lahiantitra iray teny Antanandrano, kaominina Ankadikely Ilafy, afakomaly. Voalaza fa nanolan-jazavavy efa-taona izy.

Nodarodarohan’ny fokonolona, vaky loha, voatery notsaboina ny lehilahy iray efa misotro ronono teny Ambany Atsimo, fokontany Antanandrano, kaominina Ankadikely Ilafy, distrikan’ Avaradrano, afakomaly. Voa­laza fa nanolana zazavavikely vao efa-taona monja izy. Maika nampiakatra ny hatezeran’ny mponina ny maha mpampianatra mpikaroka efa-misotro ronono azy, araka ny angom-baovao avy amin’ny zandarimaria.
“Naharay antso izahay ny alin’ny alahady tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Voalaza fa nanamparan’ilay lahiantitra ny filan-dratsiny ity zazavavy tsy manan-tsiny. Tsy nanaiky ny herisetra ny mpiray tanàna, nirodorodo namono ilay rangahy antitra. Nanamparan’ny fokonolona ny hatezerany izy. Naratra mafy moa ity nahavanon-doza. Nalain’ny ray aman-dreniny kosa ny zanany. Natao fizahana ara-pahasalamana manoloana ny fanolanana voalaza fa nianjady taminy izy”, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

Atao andrimaso
Nijery ifotony momba ny zava-nitranga ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Ankadikely, vantany vao nahazo ny fampilazana. Nosamborina ilay lehilahy voatondro ho nanao ny fanolanana. Voa mafy tamin’ny lohany vokatry ny daroka sy vono nahazo azy. Tsy maintsy nentina nihazo ny toeram-pitsaboana ihany koa.
Vantany vao vita ny fitsaboana vonjy maika, natao famotorana avy hatrany izy taorian’izay. Nametraka fitoriana ny fianakavian’ny zaza nianjadian’ny fanolanana. Ma­ri­hina fa ahazoana sazy enjana ny fanolanana indrindra fa zaza tsy ampy taona.
Na izany aza, iharan’ny sazy koa ireo minia manao fitsaram-bahoaka satria mifanohitra tanteraka amin’ny lalàna velona. Mandeha ny fanadihadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: