Ba gasy an-gitara : Hisedra ny CCEsca ny Zandry Gasy

15 taona nisiana… fa izao vao hiaka-tsehatra ao amin’ny CCEsca ny tarika Zandry Gasy. Fanamby lehibe ho an’ny ba gasy izany.

Tokony efa tamin’ny tao­na 2020… Saingy voatery najanona ny seho tamin’ izany, noho ny Covid. Izao kosa vao hiakatra ao amin’ny CCEsca Antani­mena indray ny tarika Zandry Gasy, ny alahady 26 avrily ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
Sedra goavana ho an’ny tarika, araka izany, satria sehatra fitsapana ny lazan’ny mpanakanto ny ao. « Efa aman-taonany ny nanomananay ity seho ity. Hanehoanay ny kanto rehetra avy aminay io. Holalovanay an-kira izay 15 taona izay, niarahana tamin’ireo mpankafy », hoy ny nambaran’i Mbola Talenta. Ito farany no tompon-kevitra ta­min’ny fananganana ny tarika, 15 taona lasa izay.
Ora telo mahery eo no homanin’ny Zandry Gasy iarahana amin’ny mpankafy. « Hi­verenana ireo hira izay novelominay ka nampitaina tamin’ireo taranaka taty aoriana. Homena sehatra koa anefa ireo sanganasan’ny Zandry Gasy manokana, izay hanehoanay ny lokon’ny mozika voizinay. Ilay nomenay anarana hoe « ba gasy mazia romotra » io, hamaritanay ny ba gasy an-gitara amin’ny fanaovan’ny tarika azy », hoy i Fitahiana, mpihira sy mpamoron-kira ary zokiny indrindra ao amin’ny tarika.
Satria seho goavana, niantso namana mpitendry ha­natevina azy ireo ny Zandry Gasy. Eo i Ra Pa Rakoto Frah, naman’ny tarika efa fotoana ela, hifantoka ny valiha sy ny sodina. Eo koa ry Benja Razakason eo amin’ny angorodao, lokanga sy ny zavamaneno tsofina. Ho vahinin’ny Zandry Gasy koa ny tarika Ventsonkira, izay mpiray tsikombakomba teo hatrizay.

Zo ny Aina

Partager sur: