Manana vina, ny hanao ny ivontoerana ao Carion ho kianja azo hampiantranoana lalao iraisam-pirenena ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, araka ny fanadihadiana natao. Tsy maintsy hanaovana fangatahana amin’ny federasionina iraisam-pirenena (Fifa) anefa ny fahazoana izany.
Manoloana ny olana ara-kianja mbola sedrain’ny ekipam-pirenena malagasy, amin’ny taranja baolina kitra, manana vina ny hanitatra ny ivontoerana etsy Carion Manjakandriana, ho lasa kianja azo handraisana lalao iraisam-pirenena ny Federasionina malagasin’ ny baolina kitra (FMF). Araka ny loharanom-baovao iray ny alatsinainy lasa teo, izay tsy mbola nisy fanambarana ofisialy.
Mbola hanao fangatahana amin’ny federasionina iraisam-pirenena (Fifa), ny komity mpitantana eo anivon’ity rafitra ambony misahana ny baolina kitra eto Madagasikara ity, vao hiroso amin’izany tetikasa izany. Araka ny fanazavana hatrany, manana ilay bozaka tsy voajanahary manaraka ny fenitry ny Fifa, ny ivontoerana eny Carion saingy mipetraka ho olana ny amin’ny “tribunes”, izay tsy mbola manaraka ny fenitra takin’ny federasionina iraisam-pirenena, raha toa ka hampiantrano lalao iraisam-pirenena. Ilaina mantsy ny fanitarana izany ary mila havaozina ihany koa mba hahazaka mpijery hatrany amin’ny 14 000. Eo koa ireo masontsivana isan-karazany toa ny efitra fisoloana akanjo sy ny toeran’ny mpanao gazety sy ny hafa.
Marihina fa tsy mbola voatokana io ivontoerana io, ary miandry ny fahatongavan’ny Filohan’ny Fifa, i Gianni Infantino, hanatanteraka izany. Mety aorian’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2026, vao ho avy eto Madagasikara, ny mpitantana ny Fifa, raha tsy misy ny fiovana farany. Amin’izao fotoana izao, tsy mbola manana kianja hankatoavin’ny Caf, i Madagasikara ary efa roa taona izao, tsy nandray lalao iraisam-pirenena ny kianjaben’i Mahamasina. Mbola baraingo ny fanavaozana ny bozaka, izay singa iray tsy nahafahana nahazoana ny fankatoavana.
Fitia Randria




