Namoaka ny anaran’ireo teknisianina sy mpanazatra, mandrafitra ny ekipany ny tale teknika nasionaly ny Federasionina malagasin’ny tenisy (FMT), tao amin’ny tambanjotra seraserany, omaly. Ireo mpilalao fahiny manana traikefa sy efa tompondaka ny ankamaroany. Eo koa ireo mbola tanora mifaninana amin’izao fotoana izao.
Misaona ny tontolon’ny tenisy ambony latabatra malagasy. Nodimandry ny alatsinainy alina noho ny lozam-pifamoivoizana, Ambinintsoarivelo Yvon. Efa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Itompokolahy ary efa nandrombaka anaram-boninahitra maro na teo amin’ny sehatra nasionaly, na tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Mankahery ny fianakaviana sy ny tontolon’ny tenisy ambony latabatra ny Gazety Taratra.
Lehilahy iray antsoina hoe i Bruano no nodimandry, taorian’ny fifaninanana morengy natao tany Ambanja, ny alahady lasa teo. Raha ny fanazavana azo dia torana izy rehefa voadaroka teo amin’ny faritra saropady ary noentina tany amin’ny hopitaly saingy tsy tana intsony ny ainy.




