Anatin’ny fanatanterahana ny fandaharam-potoana ho an’ny taona 2026 ny eo anivon’ny taranja Jiujitsu breziliana, amin’izao fotoana. Ny “Gi Tournament Battle-XX” no fifaninanana voalohany miandry ny mpikatroka.
Hotanterahina ny 25 avrily izao ity fifaninanana karakarain’ny klioba JJB Attila ity. Hatao eny amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Mpikatroka 135, avy amin’ny klioba 12, manerana ny faritra 3, dia Analamanga, Vakinankaratra ary Atsinanana, no handray anjara amin’izany. Anisan’ny klioba vao niditra eo anivon’ny federasionina ny Jits Vibes ka handray anjara sahady amin’ity fifaninanana ity.
Tsiahivina fa fifaninanana voalohany hatrehin’ny Malagasy mpikatroka ny taranja Jiujitsu breziliana amin’ity taona 2026 ity ny “Gi Tournament Battle-XX”. Zava-dehibe, araka izany, ny fandraisana anjara amin’io. Hahazoana isa ho an’ny taom-pilalaovana izany, ka hisy fiantraikany amin’ny filaharan’ny mpikatroka tsirairay.
Hisy seho miaraka amin’ny Mage 4
Ankoatra ny fifaninanana, hisy ihany koa ny seho hiarahana amin’ny Mage 4, amin’io fotoana io. Araka ny fandaharam-potoana, hotanterahina ny tapany hariva ny seho. Amin’ny maha fampisehoana azy, misy vidim-pidirana 5 000 Ariary. Mbola maro ny fifaninanana miandry ny Federasionina malagasin’ny Jiujitsu amin’ity taona ity. Anisan’izany ny “Grand Open de Madagascar” sy ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany izay efa andraisan’i Madagasikara anjara isan-taona. Efa eo am-panomanana ity fifaninanana iraisam-pirenena ity ny Malagasy mpikatroka any amin’ny klioba misy azy avy. Misy ireo efa amam-bolana maro no niatrika fanazaran-tena sy kotrana mafy mba hahafahana mahazo vokatra tsara.
Mi.Raz




