Mpikatroka 135 no nifaninana tamin’ny “Gi Tournament Battle-XX”, natao teny Mahamasina, ny sabotsy teo. Nisongadina ny klioban’ny Checkmat.
Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana “Gi Tournament Battle-XX”, taranja Jiujitsu breziliana. Fifaninanana izay nokarakarain’ny JJB Attila. Efa fanao isan-taona izy ity, nanomboka ny taona 2008. Mpikatroka 135 no nandray anjara, izay nahitana fitomboany raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Nisy ny fandraisana anjaran’ny vahiny mpikatroka izay nampiavaka ity andiany 2026 ity, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ara-tekinika eo anivon’ny klioban’ny JJB Attila, Mandimbisoa Herinirina.Teo amin’ny vokatra kosa, nisongadina ny klioban’ny Checkmat, izay nandrombaka fandresena 17 be izao. Anisan’izany ny teo amin’ny sokajy latsaky ny 13 taona. Klioba nisongadina aorian’ny Checkmat kosa ny Guerreros izay anisan’ny nandrombaka ny amboara teo amin’ny sokajy zandriny indrindra, latsaky ny 9 taona sy ny latsaky ny 11 taona. Niakatra ny lentan’ny fifaninanana tamin’ity ary nivoatra ihany koa ny lafiny fikarakarana, raha ny fanazavan’ny teo anivon’ny JJB Attila. Misy ireo vao “débutant” kanefa efa mahavita zavatra tsara. Miezaka hatrany manatratra ny fenitra iraisam-pirenena ny klioba.Tsiahivina fa fifaninanana voalohany, eo amin’ny taranja Jiujitsu, ity “Gi Tournament Battle-XX” ity, ho an’ny taona 2026 ary hahazoana isa eo amin’ny sehatra nasionaly izany ho an’ireo mpikatroka. Marihana fa ankoatra ny fifaninanana, nisy koa ny fampisehoana niarahana tamin’ny Mage 4, ny tapany hariva. Ny hampiaraka ny fifaninanana sy ny mozika no tanjon’ny mpikarakara tamin’izany.
Mi.Raz




