Hazakazaka Firaisankina – La vache qui rit : Voalohany i Alain sy Ralisinirina

Tontosa omaly, teto An­tananarivo, ny hazakazaka Firaisankina, nokarakarain’ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA), niarahana tamin’ny Somadis sy ny La vache qui rit. Nandrombaka ny laharana voalohany, teo amin’ny halavirana 15 km, sokajy sénior, lehilahy, Ratsio­risoa Alain, narahin-dRebiby ary fahatelo Andrianina Aina. Teo amin’ny vehivavy, nandrombaka ny fandresena Ralisinirina Marthe. Faharoa, Rasolohelimanana Lynah ary namarana ny fiakarana ny lampihazo i Nomenjanahary Francine. Nahatratra 1 700 ireo nandray anjara. Ankoatra ireo atleta manana kara-pilalaovana, tazana nifaninanana koa ireo olon-tsotra, Malagasy sy vahiny, ary koa ireo fianakaviana sy fikambanana samihafa. Teo koa ny mpanao gazety.
Tsiahivina fa tanjon’ity hetsika ity ny fanavaozana ny fotodrafitrasa ao amin’ny hopitalin-jaza Ambohimiandra, sy hividianana fitaovana hanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo zaza sy ankizy marary tsaboina ao. Araka izany, nomena io toeram-pitsaboana io manontolo ny vola rehetra azo. “Mahavelombolo ny fientanan’ny olona mandray anjara amin’ny hetsika misy tanjona toy izao. Mety mamoha ny talenta ao amin’ireo zaza sy ankizy koa izany”, hoy ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma, Ramanantsoa Andriamahazo Norolalao.

Tompondaka

Partager sur: