« Symphonie N°29 »: Velomin’ny Choeur Miangaly

6 avrily 1774, voasoratr’i Mozart ny «Symphonie N°29». Taona 2026, hitondra izany an-tsehatra ny Choeur Mi­angaly, ahitana mpitendry zavamaneno miisa 20, avy eto Madagasikara sy avy atsy amin’ny Nosy La Réunion. Fampisehoana hotanterahina ao amin’ny IFM Analakely, ny talata 12 mey izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva.

Amin’ny ankapobeny, na mbola tany amin’ny fahatanorany tanteraka aza i Mozart. Efa nahatsapa kosa ireo na­heno ny «Symponie N°29» fa : «mitondra fahatsapana tsara sy lehibe eo amin’ny tontolon’ ny vatana sy ny fo ary ny fanahy» io sanganasa iray io. Maharitra any amin’ny 21 minitra any ho any ny fitambarany. Ankoatra ny «Sympho­nie N°29» (K.201 en La ma­jeur). Hamelona ny «Litania» (K.125 en Si bémol maj) izay mbola an’i Mozart ihany koa ny Choeur Miangaly, amin’io fotoana io. Manambatra sanganasa vitsivitsy sokajiana ho manana ny hasina lehibe ho an’ny fiderana ny «Litania», noforonin’i Mozart teo anelanelan’ny taona 1771 ka hatramin’ny taona 1776.

Hitarika ny Choeur Mi­angaly eny an-tsehatra i Antsanirina Rakotoarimino, i My-Andry Andriamahatratsoa (soprano), Maherilanja Solon’ Orimbato (alto), Safidy Ran­driamananjara (ténor), Jean Ducass (basse), Hervais Rabarison (1er violon).

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: