Samoëla : Seho nitetezana ny 30 taona ny « Hiaka-dapa »

Feno ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina etsy Imahamasina, omaly. Nanamarika ny faha-30 taona an-tsehatra i Samoëla, tamin’ ny alalan’ilay seho « Hiaka-dapa ». Amin’ny ankapobeny, nanana endrika tsiahy ity fampisehoana ity. « … Asonga­din­tsika ao mihitsy, tokoa, ilay 30 taona niarahantsika izay… », hoy i Samoëla, andro vitsy nialohan’ny fampisehoana. Avy ao anatin’ireo rakikira miisa 11 efa navoakan’ny tarika no nifantenana ireo hira no­vazoina teny an-tsehatra. Nisongadina sy nitondra hafanana tanteraka ireo vazo tsy afaka am-bavan’ny maro tahaka ny « Sexy girl », « Havako mamomamo », « Tiavina »… Niara-nihira, niara-nidola… Niara-nifaly…
Nandritra ity fampisehoana « Hiaka-dapa » ity ihany koa no nahatsapana fa mananana traikefa matanjaka i Samoëla sy ny ekipany. Ta­zana avy hatrany ilay fahaiza-miaraka miainga any amin’ny bitika indrindra ka hatrany amin’ny goavana indrindra. Tsara fanomanana ny teny an-tsehatra.
Tsikaritra ihany koa fa nahavita nametraka ny kantony eo anivon’ny fiarahamonina i Samoëla. Maro ireo tanora tonga teny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina Imahamasina. Fa, tsy vitsy koa ireo niara-niainga tamin’ny tarika tany amin’ny 30 taona lasa. Tonga maro ireo zatra mijery Samoëla ankalamanjana…
… Fantatra fa efa mananika ny 3881 any ho any ny fampisehoana an-tsehatra notanterahin’i Samoëla sy ny tariny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: