Capitaine Makassa: Navoaka amin’ny fitenim-pirenena fito ny hira “Voleuse”

Namoaka hira vaovao nampitondrainy ny lohateny “Voleuse” i Capitaine Ma­kassa. Narafiny ao anatin’ny gadona “afro nation”. Ma­haritra 3minitra sy 55 segaondra eo ho eo izy ity. Navoaka amin’ny fitenim-pirenena miisa 7, toy ny teny lingala, espaniola, malagasy, frantsay, anglisy, swahili, amerikanina … Hira mitantara vehivavy iray nahababo ny fony na eo aza ny toetran’ilay vehivavy…
“Tanjona ny hanelezana ny zavakanto malagasy ma­neran-tany mba ho fantatr’izao tontolo izao fa manana ny maha izy azy isika… Miezaka manao zavatra tsara hatrany mba ho reharehan’ny firenena”, hoy ny nambaran’i Capi­taine Makassa. Mpanakanto mivelatra amin’ny any ivelany i Capitaine Makassa ary efa maro ny fiaraha-miasa amin’ny vahiny, indrindra ny any Afrika . Misokatra ihany koa amin’ny fiaraha-miasa rehetra ity mpanakanto ity, raha ny fanazavany hatrany.
Fantatra fa efa miparitaka any amin’ny tambajotran-tserasera maro tahaka ny Youtube ity sanganasany vaovao ity. Misy amin’ireny rahateo no efa fantatra eo amin’ny sehatry ny firenena sy iraisam-pirenena.
Manohy ny fikarohany hatrany i Capitaine Makassa. Mampahafantatra sy mampivelatra izany ho an’ny rehetra. Manana fomba fijery mivelatra manoloana ny fototra ao aminy sy ny fandrosoan’ny tontolon’ny kanto maneran-tany.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: