Faribolana Sandratra. Ho avy hisoron’afo ny avy lavitra. Ho tonga eto an-dRenivohitra ireo mpikambana avy ao amin’ity faribolan’ny mpanoratra ity ka hanolotra antsa tononkalo nampitondraina ny lohateny « Soron’afo ». Hotanterahina ny 16 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora hariva, ao amin’ny Cercle Germano-malagasy/GZ Analakely izany. Tsy hisy ny vidim-pidirana na ho an’ny mpisoron’afo na ho an’ny mpamindro.
Tsara ny miverina amin’ny fototra… Fa mety hitera-doza ny fihinanana amam-bolony. Nanjary mahay momba ny raokandro ny Malagasy. Tsy sahy manangan-javatra, raha tsy manatona mpanandro. Lasa mifanontany fomba amam-panao, sns. Tranga maneho fa liana amin’ny maha izy azy ny Malagasy. Mifanindran-dalana amin’izay, anefa, miparitaka haingana be ao anatin’ny fotoana fohy ireny karazana fifampizarana fahaiza-manao ireny. Mila mitandrina fatratra, satria, tsy vitsy ireo hevi-dravina heno etsy sy eroa.
Kendrena hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Indro kely, hoy ny mpandrafitra, noho ny hamehana, tsy indro kely intsony no mianjady amin’ny asatanana malagasy fa indro be. Manomboka mitombo indray ilay elanelana misy eo amin’ny « vita vazaha » sy ny « vita gasy ». Mety ho voatazona ihany, ohatra, ny bikan’ilay zavamaneno vita malagasy, fa ny feony, tsy tsara. Mila fanarenana haingana ity tranga ity noho ny fisian’ny fifaninanana lehibe ankehitriny.




