Hita faty tao an-tokotanim-pasana, tao anaty kirihitra, ny lehilahy iray, tetsy anelanelan’Alarobia sy Ivandry, boriborintany fahadimy, omaly maraina. Tsy hita nanomboka ny alakamisy 30 avrily teo izy.
Tapaka ny tanany havia ary efa simba ny ilan-tanana havanan’ny lehilahy iray hita faty tao anaty kirihitra, tetsy anelanelan’ Alarobia Amboniloha sy Ivandry, boriborintany fahadimy, omaly maraina. Olon-tsotra, voalaza fa hivalan-drano, no nahita an’io fatin’olona io tao anatin’ilay kirihitra afovoan’ny tokonitam-pasana maromaro. Nampandre avy hatrany ny manodidina izy ka nidina ifotony ny tomponandraikitra eo anivon’ ny fokontany sy ny fokonolona ary ny polisim-pirenena. Voamarina fa tapaka ny ilan-tanany havia ary efa simba tanteraka ny rantsan-tanany havanana. « Tao ambanin’ny sakaosy teo akaikiny ny ilan-tanany », hoy ny fanazavan’ny nanatri-maso. Ahin’ izy ireo ho efa novonoina tamin’ny toeran-kafa io lehilahy io ary nariana tao anatin’ilay kirihitra. Tsy fantatra mazava anefa ny nahavanon-doza sy ny antony nahatonga izao vonoan’olona izao.
Nisy nanendaka
« Niala tao amin’ny toeram-piasana izy ny alakamisy hariva, hamonjy fodiana », hoy ny fanazavan’ny mpiara-miasa aminy. Voalaza fa nisy nanendaka tetsy Behoririka izy, ny zoma 1 mey. Saron’ny polisy ilay mpanendaka satria tratra teny amin’ity farany ny finday sy ny mombamomba ilay olona tsy hita. Nanao ranty sy ombay mitady tamin’ny tambajotran-tserasera Facebook ny fianakavian’io lehilahy io. Herinandro taty aoriana, hita faty teny Ivandry io lehilahy voalaza fa niharan’ny fanendahana teny Behoririka io. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana momba ity tranga ity. Ny polisim-pirenena eo anivon’ny BC no mandray an-tanana izany.
Tsiferana R.




