Lozam-piarakodia : Dorkasy 12 indray naratra mafy

Nitrangana lozam-piarakodia indray tao Alakamisy Ambohi­maha, 21 km miala an’i Fianarantsoa, omaly atoandro. Dorkasy avy amin’ny FJKM avy any Alakamisy Itenina hamonjy fivoriana ao Ambohimasoa ireto tra-doza ireto. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa miisa 31 ireto vehivavy hamonjy fivoriana ireto ka ny 12 amin’izy ireo no tena naratra mafy, saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy. Raha ny filazan’ny mpamily araka ny tatitra nampitain’ny zandarimaria, nisy kalesa iray teo alohan’ny fiara nitondra ireo Dorkasy ka niala izany ny mpamily no nifanehatra tampoka tamina kamiaobe mpitondra solika. Nipoitra tampoka ity fiaraobe tamin’io fotoana io. Tsy voafehin’ny mpamily intsony ny fiara ka nivadika avy hatrany. Tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana ny zandary ka nentina namonjy hopitaly ireo naratra. Teny an-dalana hiverina hihazo an’i Fianarantsoa avy any amin’ny kaominina Ikalalao nitokana ny zanatobim-paritry ny zandarimaria ny Mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana, ny Kly Rampanarivo mivady sy ireo mpiara-dia aminy ka namonjy haingana ireto traboina. Mitohy ny fanadihadiana ity loza ity.

Jean Claude

Partager sur: