Miady amin’ny sakaizany : Tovolahy miisa telo nananton-tena

Mahazo vahana ny famonoan-tena tato ho ato. Voamarika fa ny lehilahy, tsy mahazaka olana ara-pitiavana, matetika no manao izany. Tovolahy iray nananton-tena teny Ampasimandinika, omaly. Telo ny tranga voaisa tanatin’ny herinandro vitsy.

Tsy nahazaka olana ara-pitiavana teo aminy sy ny sakaizany, namono tena ny tovolahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Flavien, tao amin’ny kaominina Ampa­simandinika, distrikan’i Bri­ckaville, omaly maraina. Va­tana mangatsiaka, efa nihantona tamin’ny tady teo amin’ny hazo lehibe iray, no nanaitra ny manodidina.
Nanana olana tamin’ny olon-tiany ilay tovolahy vao 27 taona, araka ny fanadihadiana natao tamin’ny fianakaviana akaiky azy. Tsy fantatra mazava ny anton’ny tsy fitovian-kevitra teo amin’izy roa. Tsy nisy nahita ny nanaovany io fihetsika mampihoron-koditra teo ambony hazo io. Nikoro­paka hanavotra azy ny fokonolona saingy efa tsy nisy aina intsony tamin’izay fotoana nahitana azy izay.

Tsy mahazaka

Tao anatin’ny roa volana, lehilahy miisa telo hita faty nananton-tena tamin’ny tady ka namoy ny ainy. Olana ara-pitiavana avokoa no nanosika ny roa tamin’izy ireo haka vahaolana hafahafa tahaka izao. Voasaringotra tamin’ny halatra ny fahatelo. Ity farany izay nandositra ny mpitandro filaminana sy ny ray aman-dreniny. Ny vatana mangatsiakany no hita faty nihantona tamin’ny tady teny amin’ny kaominina Ambohitrabiby.
Ankoatra ireo, vehivavy iray koa maty rehefa namono tena taorian’ny alahelo tamin’­ ny fahafatesam-badiny, ny herinandro lasa teo. Taratry ny faharefoan’ny tanora amin’izao fotoana sy tsy fahazakana ny sedra lalovana amin’ny fiainana daholo ny famonoan-tena miseholany tato ho ato.

Sajo

Partager sur: