Baolina kitra – Can 2027: Andrasana anio ireo hiray vondrona amin’ny Barea

Hotanterahina anio, any amin’ny foiben’ny Federasionina egyptianin’ny baolina kitra (EFA), Le Caire, Egypte, ny antsapaka hahafantarana ny anaran’ireo firenena izay ho mpiray vondrona amin’ny fifanintsanana Can 2027. Andrasana, mandritra izany, ireo ekipam-pirenena izay hiray vondrona amin’ny Barean’i Madagasikara. Marihina fa miisa 48 ny firenena tafita hifanintsana, hiady ny tapakila hiatrehana ny Can 2027. Hizara vondrona 12, ahitana ekipa efatra avy, izy ireo. Manana herijika ny Malagasy amin’ity indray mitoraka ity, miatrika ny Can avy hatrany ny firenena roa voalohany. Hanampy ny fanomanan’ny Barea ny lalao ara-pirahalahiana izay hataony amin’i Maroc sy Ouganda, ny volana jona ho avy izao, any Maroc ihany. Ampahatsiahivina fa hotanterahina ny 21 septambra hatramin’ny 6 oktobra 2026, ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fifanintsanana. Hotontosaina ny 9 hatramin’ny 17 novambra ny andro fahatelo sy fahefatra. Ny 22 hatramin’ny 30 marsa 2027 ny andro fahadimy sy fahenina.

Fitia Randria

Partager sur: