Afaka folo andro! Hotanterahina ao amin’ny Kianja Rabat Maroc, ny 2 jona ho avy izao, ny lalao fitsapana izay hifanandrinan’ny Lion de l’Atlas Maroc amin’ny Barean’i Madagasikara. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny loharanom-baovao iray, misy mpilalao telo avy eto an-toerana efa fantatra fa nahazo taratasy fampiantsoana handrafitra ny ekipa nasionaly malagasy. Ny roa amin’izany dia milalao ao amin’
ny Disciples FC Vakinankaratra, i Bono sy Rado Be. Ny iray kosa dia ao amin’ny Elgeco Plus, i Toldo, mpiandry tsatoby Barea. Andrasana amin’ny talata ny fanambarana ofisialy izany lisitra izany, araka ny tsilian-tsofina hatrany. Tsara ny mampahatsiahy fa ankoatra io fifandonana amin’i Maroc io, hihaona amin’i Ouganda ihany koa ny ekipam-pirenena malagasy, ny 8 jona ho avy io, any Maroc ihany. Marihina fa ekipa goavana avokoa ireo manao lalao ara-pirahalahiana amin’ny Barea ireo, ary raha tsara ny vokatra, mety hiakatra ambony kokoa ny laharan’i Madagasikara ao amin’ny Fifa. Raha ny fikarohana natao hatrany, eo amin’ny laharana fahavalo maneran-tany i Maroc, izay hiatrika ny «Mondial 2026 », afaka telo herinandro. Faha-88 kosa i Ouganda, raha any amin’ny laharana faha-104 ny Barean’i Madagasikara.
Fitia Randria




