Pureplay Football League: namory maika ny mpitsara ny federasionina

Nanatanteraka fivoriana maika tetsy Isoraka ny Fede­rasionina malagasin’ny baolina kitra sy ireo mpitsara ary ny mpiantsehatra amin’ny fifaninanana “PFL”, ny asabotsy lasa teo. Antony: tsy nety hitsara ny lalao ny mpitsara manoloana ireny zava-nitranga nahitana fitoriana mpitsara ireny. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray, efa niravona ny disadisa, saingy hahemotra avokoa ny fihaonana ampahefa-dalana miverina ho an’ireo klioba enina ambiny. Ho an’ny Elgeco Plus manokana, tompondaka farany, hatao ny 28 mey ho avy izao, eny By-Pass, ny fifanandrinana faharoa eo aminy sy ny FC Rouge. Mbola manala vela ny Elgeco Plus, izay niondrika tamin’ny isa 1 no ho 0, tany amin’ny lalao mandroso.

Ekipa voalohany
Notontosaina tamin’ny asabotsy, tany amin’ny Kian­jan’ny Vélodrome Antsirabe, ny lalao miverina izay nifanandrinan’ny Disciples FC Vaki­nankaratra sy ny Fosa Juniors Boeny. Nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa 1 no ho 0, tamin’izany, ny Disciples FC. Ity farany izany no ekipa voalohany tafita hiatrika ny dingan’ny manasa-dalana ho an’ny fifaninanam-pirenena “Pure­play Football League (PFL)”.
Efa lavon’ny Disciples tamin’ny isa 4 no ho 0, ny Fosa Juniors FC nandritra ny lalao mandroso. Raha hiverenana ny fihaonana tany An­tsirabe, somary nosahiranin’ny Fosa ny mpilalaon-dRa­zafindrakoto Mamisoa, mpanazatra ny Disciples FC. Efa tany amin’ny minitra (faha-90+6 min) vao nahakobana harato i Tendry, lohalaharan-dry zareo Vakinankaratra. Maro ny baolina tokony ho tafiditra ho an-dry Fely, Bono, Fabrice, ho an’ny Disciples, saingy nalain’i Tony, mpiandry tsatoby an’ny Fosa, izany.

Fitia Randria

Partager sur: