Mahavariana ny Malagasy sasany. Manam-bola ho laniana amin’ny fifananejehana fa tsy mahafoy ho fanampiana ny namana. Mbola sarotra ilay fanavaozana hitondra any amin’ny fanatsarana ny toe-tsaina. Lany andro amin’ny ravindravina atentina, ka manadino fa misy ny tokony hifantohana misimisy kokoa. Tsy inona izany fa ny andavanandro sy ny adim-piainana izay mila ifotorana misimisy kokoa.
Tsy ny henjana mihinana sy misotrosotro eny amoron-dranomasina no olan’ilay firenena, fa ny any anaty vilan’ny tsirairay izay zara raha manan-katokona. Ny olan’ny hafa no mahaseriny fa tsy ny arina eny an-tava. Sarotra anefa ny hiova sy hanavao rehefa ny saina sy ny atifanahy maha olona no mivadika tsy ho laharam-pahamehana intsony. Variana mitsikera be fahatany ka manadino ny aretin’ny tena.
Tsy ny mpitondra fanjakana kosa aloha no mitondra vahaolana amin’izany. Aiza no aharahina izany sy ahafahany mamaha izay any anaty akanjo sy an-tokatrano any. Samy manilika ny lotony, izay vao afaka mifanolo-tanana ho an’ny hafa. Tsy tokony hisy ny hanamaivana sy hanao tsinontsinona ny ady hatrehany, mialoha ny adin’ny sasany. Ny an’ireto farany efa iaraha-mahita fa voavahan’ny vola sy fahefana avokoa. « Kapain-tsy hita fery! ».
Tsy afaka ny hitompo teny fantatra ho voasokajy anatin’ny lasibatra ny vahaoka malagasy amin’ny akapobeny, fa tompon’andraikitra feno amin’ny fahavoazana. Miaky be fahatany ny tsy mety noho ny fijerena tavan’olona. Fifandimbiasam-pihinanana no misy eto Madagasikara. Mazava izany fa tsy hisy fahagagana anatin’ny fito na sivy volana izany. Mahitsy ny tenin’ny Filohan’ny Fanavaozana ireny, tany Mahajanga, tamin’ny alatsinainy fa tsy mpanao majia izy ireo.
r.r




