Ekipa faharoa manaraka ny dian’ny Disciples FC Vakinankaratra any amin’ny manasa-dalana amin’ny “Pureplay Football League (PFL)”, ny Elgeco Plus. Resin’ izy ireo tamin’ny fandakana “tir au but”, 4 no ho 2, tetsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-Pass, omaly, ny FC Rouge. Nisaraka 1 no ho 0, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna, ny roa tonta. Raha hiverenana kely ny fifanandrinana, nifandimbiasana ny fanafihana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Maro ny baolina tokony ho tafiditry Ranona sy ry Pito, teo amin’ny fidirana voalohany, saingy azon’i Toldo, mpiandry tsatobin’ny Elgeco Plus izany, na nihoatra ny tsivalamby. Teo ihany koa ny baolina saika nampidirin-dry Jean Luc, lohalaharan’ny Elgeco Plus, saingy nidona tamin’ny tsivalamby. Isa 0 no ho 0 no nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Teo amin’ny fidirana faharoa, minitra faha-51 nilalaovana, nahatafiditra baolina i Ismael, lohalaharan’ny Elgeco Plus, rehefa nanao tandrevaka ny vodilaharan’ny FC Rouge. Nahazo karatra mena i Lalane, vodilaharan’ny Elgeco, minitra faha-77. Somary nisavorovoro ireo mpijery saingy nilamina ihany izany rehefa tonga ny tomponandraikitra. Afa-bela tamin’ny FC Rouge izany ny Elgeco. Tsiahivina fa resin’izy ireo 1 no ho 0, ity tompondakan’ny PFL farany ity, tany amin’ny lalao voalohany.
Fitia Randria




