Karate-Afrika Atsinanana : Nahazo Medaly volamena 1 sy alimo 2 ny Malagasy

Tontosa ny 28 hatramin’ny 30 mey lasa teo, tany Nairobi Kenya, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, faritra Atsi­nanana, taranja karate. Tsy nitsanga-menatra ny Mala­gasy fa na dia vitsy aza ny nisolo tena an’i Madagasikara, vokatra tsara no azo. Medaly volamena 1 sy alimo 1 no no­rombahan’ny karatekas mala­gasy. Tamin’ny alalan-dRave­lonarivo Andhy, no nahazoan’i Madagasikara ny medaly volamena, teo amin’ny sokajy latsaky ny 55kg, vehivavy. Andriamihajatiana Man­dresy kosa no nisalotra ny medaly alimo iray, teo amin’ny sokajy latsaky ny 52 kg lehi­lahy. Tsiahivina fa karatekas 4 mianadahy no nisolo tena an’i Ma­dagasikara. Tetsy ankilany, nandrombaka ny medaly alimo ihany koa, Rajaonarison Chris­tian Finoana, teo amin’ny so­kajy latsaky ny 60 kg lehi­lahy.
Filohan’ny faritra Atsinanana, Dr Emile

Ankoatra izay, notanterahina ny 30 mey lasa teo ihany koa ny fivoriambe, izay nametrahana izay hitantana ny faritra Atsinanana. Tafapetraka ho filoha, Ratefinanahary Emile, filohan’ny federasionina ny karate-do Malagasy (FKM). Filoha lefitra misahana ny fitantanan-draharaha, Mr Ri­chard, filohan’ny federasionina kenyana. Filoha lefitra misahana ny ara-bola, Mr Mulae, filohan’ny federasionina Ethio­piana. Nisaotra ny Filohan’y UFAK sy ny Filoha Lefitra WKF/UFAK, ny filohan’ny FKM, nametraka fitokisana taminy.

Mi.Raz

Partager sur: