Namiratra indray ny Malagasy mpiangaly ny taranja Jiujitsu brezilianina, nandritra ny fifaninanana “London Spring IBJJF”, natao tany Angletera, ny faran’ny herinandro teo. Samy nahazo medaly i Aiky sy i Mahasoa.
Vokatra tsara indray no norombahin’ny Malagasy mpikatroka ny taranja Jiujitsu brezilianina, nandritra ny “London Spring IBJJF”, natao ny faran’ny herinandro teo. Nandrombaka medaly volafotsy Ranarivelo Mahasoa, teo amin’ny sokajy GI Infant, latsaky ny 40 kg, tepany volondavenona. Mpikatroka avy amin’ny New School BJJ i Richards Pharaoh no resin’i Mahasoa, teo amin’ny manasa-dalana. Tao anaty tsy fahasalamana i Mahasoa, ny alina mialoha ny niatrehany ity fifaninanana ity ary efa saika tsy hiakatra, saingy izao nahazo vokatra tsara izao. Tsiahivina fa efa nahazo medaly volafotsy ihany koa ity Malagasy mpikatroka vao 9 taona monja ity, tamin’ny “AJP West Europa”, ny 7 jona lasa teo. Efa nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany tany Abu Dhabi ihany koa izy, ny taona 2025 ary nahazo medaly alimo. Tetsy ankilany, niambozona medaly alimo i Aiky Iloaina, teo amin’ny sokajy Juvénilles, latsaky ny 64 kg, tepany manga. Efa nahazo ny medaly alimo ihany koa izy nandritra ny “AJP West Europa”, ny 7 jona lasa teo.
Mi.Raz




