Hifampitaona etsy Andohatepanaka, ny faran’ny herinandro ho avy izao, ireo Malagasy mpankafy ny taranja Rugby. Hifanandrina amin’ny famaranan’ny Top 20 ny samy kartie, Rosa club de L’Imerina Antohomadinika sy ny Rugby club des soldats Anosibe (RCSA).
Hotanterahina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, federaly II “XXL Top 20″. Hiady ny amboara lehibe, amin’izany, ny Rugby club des soldats Anosibe (RCSA) sy ny Rosa club de l’Imerina Antohomadinika. Samy hiezaka ny hitady fandresena hahazoana ny tapakila hiakarana amin’ny Federaly I, Top 12, ireto fileovana roa ireto.
Raha ho an’ny RCSA manokana, efa ao anatin’ny fanomanana tsara izy ireo na dia teo aza ny fotoana maro tsy nitohizan’ny fifaninanana. Nambaran’ny mpanazatra, ny Coach Jerry, omaly, tetsy Anosy, fa efa ao anatin’ny heriny avokoa ny mpilalao ary ny manamasaka ny teknika sy ny taktika entina miatrika ny famaranana ry zareo amin’izao fotoana izao.
” Ny fanamafisana ny fiarovan-tena sy ny resaka fanafihana no tena nohavaozina satria iny no lesoka hita teo amin’ny manasa-dalana”, hoy ihany ny Coach Jerry.
Tsiahivina fa miatrika lalao sakana amin’ny fileovana laharana faha-11 eo amin’ny Top 12 izay resy amin’ity.
“Zava-dehibe…”
Nilaza kosa Rafidimanana Désiré na ny Depiote Fidy, solombavambahoakan’i Madagasikara, voafidy teny amin’ny boriborintany fahefatra, kapitenin’ity ekipan’Anosibe ity, fa zava-dehibe ho azy ireo ny fiatrehana an’io famaranana io, indrindra izany mifandona amin’ny klioba goavana tahaka an’i Rosa izany. “ Raha ny tantara no jerena, klioba zoky manana ny maha izy azy izany Rosa izany. Manana mpilalao efa fanta-daza toa an-dry John Be ry zareo.
Fitia Randria




