Miorina isaky ny elakelantrano ny sekoly tsy miankina. Ihazakazahan’ny ray aman-dreny izy ireny. Maneho ny fahamaivanan’ny sekolim-panjakana sy ny tsy fahampiany izany. Lavitra ny elanelana misy.
Miverina ny sekoly miangatra raha ny fanehoan-kevitry ny tompon’andraikitry ny observatoire de la jeunesse, Lanto Ratsida. Niova endrika anefa izany akehitriny satria tsy ny sekolim-panjakana intsony no isehoany.
Ireo sarangam-piarahamonina na ireo mpanakarena no manangana sekoly miahy tena ary tena lafo ny fampianaran-janaka amin’izany. Ireo manam-bola mandao ny sekolim-panjakana ary mamonjy ny sekoly tsy miankina. Zava-doza izany satria maneho ny elanelana na hantsana lalina. Midika izany fa efa tsy misy miraharaha intsony ny sekolim-panjakana.
Etsy andaniny, ny 75%n’ ny Malagasy dia miaina anaty fahantrana ary vao maika miha mahantra. 4,4 tapitrisa ireo mpianatry ny sekolim-panjakana lasa miaina anaty zava-tsarotra.
Any amin’ny sekoly tsy miankina, andaniana 30 tapitrisa Ar ny ankizy iray anatin’ny taona iray. Mahavita karaman’olona an-taona maro in-20 amin’ny karama farany ambanin’ny olona eto Madagasikara izany (262 680 Ar).
Ireo zanaky ny samy mpanan-karena ihany no mihodinkodina ao amin’ireny sekoly tsy miankina ireny. Mitazona izany fifandraisana izany izy ireo ka hisy fifanakalozana ireo aoriana kely. Mety ireo ihany no hitondra ny firenena rahampitso.
Mahavita manakarama olona teratany vahiny izy ireo mampianatra ny teny vahiny. Mifanohitra tanteraka amin’izany ny sekolim-panjakana satria na ny mpampianatra aza tsy mahafehy ny teny vahiny.
Ny sekolim-panjakana kosa, mitaiza ny ankizy sy tanora noana, tsy mahay miteny frantsay, tsy tena mahay mamaky teny sy manao kajy tsara akory.
Tsy mampivoatra ny rafitra atao amin’ny sekolim-panjakana fa hamolavolana ny fampanginana lava. Olom-pirenena toy ny ahoana no havoakan’izany rafi-pampianarana izany?
Tatiana A




