Miditra amin’ny dingana hifanaovana veloma amin’izay ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, “Mondial 2026”. 32 sisa ny ekipa mbola manohy ny dia. Nahatafita ekipa sivy tamin’ireo 10 nandray anjara ny afrikanina.
Tsy misy intsony ny kajikajy! Efa miditra ao anaty tsontsorimamba isarahana ny ekipa rehetra miatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, “Mondial 2026”. Fihaonana tanterahina any Canada sy Mexique ary Etats-Unis. Niditra amin’ny dingana ampaha-16-ndalana ny ekipa 32 nahazo ny tapakila, nanomboka omaly.
Ho an’i Afrika manokana, sambany eo amin’ny tantaran’ny baolina kitra no misy ekipa miisa sivy tafakatra amin’izany dingana izany. I Tunisie irery, izay gisitra tao anaty vondrona nisy azy, no tsy tafita. Marihina fa tsy nisy tamin’ny ekipa manohy ny diany no voalohany tao anaty vondrona nisy azy ireo. Dimy tamin’izy ireo nitana ny laharana faharoa tao anaty sokajy dia i Maroc, Afrika Atsimo, Egypte, Cap-Vert ary i Egypte. Nahazo ny toerana fahatelo tsara indrindra ny efatra ambiny, ahitana an’ i Senegal, Algerie, Ghana ary ny Repoblika Demokratikan’i Congo.
Raha ny antontanisa, fandresena valo tamin’ireo lalao miisa 30 tao anatin’ny lalaom-bondrona no azon’ny ekipa afrikanina sivy ireo. Ankoatra izay, samy mbola ao anatin’ny fifaninanana ihany koa ny mpampiantrano rehetra ny “Mondial 2026” dia i Mexique, Canada ary i Etats-Unis.
Mitohy anio ny lalao hiampitana mankany amin’ny lalao ampahefa-dalana. Fihaonana roa no tena andrasan’ny rehetra. Anisan’izany ny fifandonan’ i Bresil sy i Japon. Tombanana ho manantombo ny brezilianina. Ekipa tsy azo hamaivanina koa anefa ny Japoney, izay matanjaka sady teknisianina avokoa ny ankamaroan’ny mpilalao.
Etsy an-kilany, ny Mannschaft Allemagne, hifampitana amin’i Paraguay. Sarotra ny haminavina amin’izany satria ekipa manana ny toerany koa ry zareo Paragoaianina.
Tompondaka




