Tapitra teo amin’ny dingana ampaha-16-ndalana ny lalan’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”. Etsy ankilany, manohy ny diany ny Les Bleus, France sy i Mexique, mpampiantrano.
Notapahin’ny Viking Norvège teo amin’ny ampaha-16-ndalana ny dian’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ity “Mondial” andiany faha-23 ity. Lavon-dry zareo norvezianina, tamin’ny isa 2 no ho 1, izy ireo, ny talata lasa teo. Fihaonana notanterahina tao amin’ny Kianja Dallas, Arlington. Niady ny fihaonana, saingy nanatombo teo amin’ny fahamatorana raha izay no azo ilazana azy ry zareo norvezianina. Nanokatra ny isa voalohany rahateo izy ireo, tamin’ny alalan’ny dakan’i Antonio Nusa, teo amin’ny minitra faha-39. Tsara petraka tany amin’ny zoro ambonin’ny tsatobin’i Fofana izany ka nampikobana ny harato. Nanao izay ho afany ihany ny mpilalao ivoarianina, saingy ratsy hatrany ny famaranana. Nentin’ny roa tonta niala sasatra io isa tokana io.
Fizaram-potoana faharoa, niezaka nandrindra ny fanafihana ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Nitsitapitapy kosa ny fanafihan’i Norvège fa natahorana satria miafara amin’ny tifitra hatrany izany. Nanasahala ny isa i Amad Diallo, teo amin’ny minitra faha-74, rehefa nanavatsava ny vodilaharana norvezianina. 1 sy 1 ny isa teo ary nihevitra ny rehetra fa ho tonga hatrany amin’ny fanalavam-potoana ny lalao. Nitranga anefa ny patsa iray tsy omby vava ho an’i Côte d’Ivoire. Minitra faha-86, diso fipetraka ireo vodilaharana ka hain’i Berg ny nanolotra ny baolina ho an’i Haaland, izay namono ny baolina faharoa.
Nanampatra hery kosa i France, izay nandavo an’i Suède tamin’ny isa mazava 3 no ho 0. Baolina roa no nampidirin’i Mbappé ary ny iray kosa an’i Barcola. Hifandona eo amin’ny ampahefa-dalana izany i Paraguay sy i France. I Maroc kosa hifanandrina amin’i Canada ary i Brésil hifampitana amin’i Norvège.
Tompondaka




