Mondial 2026 : Efa-taona aty aoriana hiverina hidona i France sy i Maroc

Hifanandrina indray i France sy i Maroc eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial”. Amin’ity, hiady ny tapakilan’ny manasa-dalana, ny roa tonta. Hanala vela ny maraokanina izay hany ekipa afrikanina, indroa tafita eo amin’ny ampahefa-dalana.

Anisan’ny lalao hanamarika ity “Mondial 2026” ity ny ampahefa-dalana hikatrohan’ny Les Bleus France sy ny Lions de l’Atlas Maroc. Fihaonana hanan-tantara satria vao tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany farany natao tany Qatar, ny taona 2022 no nikatroka izy ireo, saingy teo amin’ny ankatoky ny famaranana. Hanala vela amin’ity ry zareo maraokanina.
Misongadina tanteraka ireto ekipa roa ireto, satria tsy mbola resy nanomboka hatrany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ka hatramin’ny dingana tsotsorimba isarahana ity. Raha tsiahivina, no­montsanin’i Maroc, tamin’ny isa mazava 3 no ho 0 tao an-jaridainany sy teo anatrehan’ny mpomba azy, i Canada, mpampiantrano. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Houston, ny sabotsy lasa teo. Tsy nisy nanam-po ny voka-dalao. Noheverin’ny rehetra fa tsy hahatohitra an-dry zareo Kanadianina, ity ekipa afrikanina ity saingy nifanamadika tamin’izany ny zava-nisy. Baolina tafiditra teo amin’ny fizaram-potoana fa­haroa avokoa ireo. Ny roa matin’i Azzedine Ounahi, teo amin’ny minitra faha-50 sy faha-82 ary ny iray an’i Soufiane Rahimi, minitra faha-90 + 8.
Ry zareo fratsay kosa indray nivoaka sempotra vao nandresy an’i Paraguay, tao amin’ny kianja Philladelphie. Baolina tokana tafiditr’i Mbappe, teo amin’ny minitra faha-70, tamin’ny alalan’ny “penalty” no nitondra ny fandresena ho azy ireo.

Tompondaka

Partager sur: