Hotontosaina, anio, ao amin’ny Kianjan’ny Atlanta, Etazonia, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany. Hihaona, ami’izany, ny Three Lions Angleterre sy ny Albiceleste Argentine.
Hifanandrina mandritra ny manasa-dalan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, “Mondial 2026”, i Argentine, tompondaka farany sy i Angleterre. Hatao ao amin’ny Kianjan’i Atlanta, Etazonia, ny fihaonan’ny roa tonta. Mbola manarina ny fahavoazany tany amin’ny 40 taona lasa, (Mondial 1986), ny anglisy.
Tsiahivina fa nahintsan’ny Albiceleste arzantinina, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny Three Lions anglisy, nandritra ny ampahefa-dalan’ny “Mondial 1986” io. Nalaza sy nanamarika ny tantaran’ny baolina kitra hatramin’izao ity fihaonana ity. Antony, noho ilay baolina roa tafiditr’i Diego Armando Maradona, kintan’ny baolina kitra arzantinina, tamin’izany. Azon’ny Albiceleste Argentine ny amboara tamin’izany fotoana.
“Tanan’Andriamanitra”
“ La Mano de Dios !” na “Tanan’Andriamanitra !”, « But du Siècle! ». Tsy afaka ao an-tsain’ny maro mihitsy io teny io, raha vao i Argentine sy Angleterre no resahina. Raha hiverenana kely ny tantara, nampidirin’i Maradona tamin’ny tanany ilay baolina voalohany, ary tsy hitan’ny mpitsara izany, ka nitarika 1 no ho 0, i Argentine. “Natsofok’i Maradona tamin’ny lohany ilay baolina, saingy nampian’ny tanan’Andriamanitra”, hoy i Maradona, rehefa nanontanian’ny mpanao gazety izy, ka izay no nahatonga an’ilay teny hoe: “ La Main de Dieu!”
Ny baolina faharoa kosa, ezaka vitany samy irery, rehefa nofitahiny nanomboka teny amin’ny afovoan’ny kianja hatrany anaty harato ireo mpilalao maro sy ny mpiandry tsatobin’ny Three Lions, ka nahatonga an’ilay hoe:“ But du Siècle!”.
Marihina fa efa inenina nifanandrina ny roa tonta. Tany amin’ny taona 2005 izy ireo no nihaona farany. Resin’ny Three Lions anglisy, 3 no ho 2, ny Albiceleste, tamin’io.
Fitia Randria




